ANTOKO MALAGASY MIARA-MIAINGA
FANAMBARANA LAHARANA FAHA 005/2023
Noho ny fiparitahan’ny antontan-taratasy izay manamarina ny fizakan’ny Filohan’ny Repoblika ankehitriny ny zom-pirenena frantsay, dia miantso an’Andriamatoa Andry RAJOELINA hitondra ny fanazavana feno ny MMM satria voatohintohina ny fiandrianam-pirenena ary voafitaka tanteraka ny mpiray tanindrazana.
Ny MMM dia manaja ny fahafahan’ny tsirairay hisafidy ny zom-pireneny, saingy ny asan’ny Filoham-pirenena dia natao ho an’ny mizaka ny zom-pirenena Malagasy irery ihany araka ny voalazan’ny andininy faha-46 amin’ny Lalàmpanorenana.
Firenena voazanaka efa nahazo ny fahaleovantenany i Madagasikara, ka ny fepetra voalohany indrindra dia ny tsy hizakan’ny Filohan’ny Repoblika ny zom-pirenena vahiny.
Manana adidy eo anatrehan’ny lalàna velona sy ny tantara ny Andrimpanjakana mahefa handray ny fepetra mba hiverenan’ny fiandrianam-pirenena.
Antananarivo, 16 jona 2023