Fanambarana laharana faha 008/2023

FANAMBARANA LAHARANA FAHA 008/2023 – ANTOKO MALAGASY MIARA-MIAINGA

Betsaka ny zava-mitranga mampiseho fa vao maika tsy tan-dalàna intsony i Madagasikara amin’izao taom-pifidianana izao. Vao tsy ela akory ny Transparency International Initiative Madagascar (TI-IM) no nampahafantatra ny besinimaro fa mitobaka izay tsy izy ny fampiasam-bola amin’ny fampielezan-kevitra. Marobe ireo fampiasana amin’ny tsy ara-dalàna ireo fitaovam-panjakana sy ny fahefam-panjakana mba hanomezana vahana ny Filoha teo aloha.

Ankehitriny, hita ao amin’ny tranokalan’ny Autorité de Régulation des Marchés Publics (ARMP) : (http://www.armp.mg/site/index.php) fa tamin’ity taona 2023 ity dia feno tsy fahatomombanana ny fampiasana ny volam-panjakana amin’ny fanomezana ireo tsenambaro-panjakana sasany ary mampiahiahy ny fisian’ny kolikoly avolenta.

®Niakatra ambony dia ambony ny tahan’ny vidin’ireo « marché de gré-à-gré » tamin’ity taona ity kanefa vitsy dia vitsy ireo nisitraka izany. 3,24% izany teo anelanelan’ny taona 2019 sy 2022 ary niakatra ho 28,15% kosa ny taona 2023 ka nitentina 432.805.728.574 Ariary (91.680.000€)  

®Raha toa ka 0,01% kosa ny « Appel d’Offres Restreint International » teo anelanelan’ny taona 2019 sy 2022, dia tafiakatra 46,02% izany ny taona 2023. Nitentina 34.750.004 Ariary (7.360€) izany teo anelanelan’ny taona 2019 sy 2022 ary tafiakatra 707.610.117.591 Ariary (149.890.000€) kosa tamin’ity taona 2023 ity.

Mampametram-panontaniana ny tranga toy izao amin’ny vanimpotoam-pifidianana satria tantely afa-drakotra tanteraka ny fanjakana malagasy. Miantso ny vahoaka malagasy, indrindra indrindra ianareo mpiasam-panjankana, sy ireo mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara tsy hiray tsikombakomba amin’izao fomba fitantanana barofo izao fa hijoro amin’ny fahamarinana. Ny tolona atao anio dia fifidianana madio sy mangaraharaha mba ho fitsinjovana ny ampitso, ka mitaky fahasahiana ny manatsikafona ny gaboraraka miseho toy izao.

Sahy isika, maika hanorina ny ampitso  

Antananarivo, 02 Novambra 2023   

Share: