ANTOKO MALAGASY MIARA-MIAINGA
FANAMBARANA HO AN’NY MPANAO GAZETY LAHARANA FAHA 004/2023 MIKASIKA NY DIDY NAVOAKAN’NY FITSARANA MISAHANA NY ADY ATAO AMIN’NY FANJAKANA AO FIANARANTSOA
Namaly ny fitoriana nataon’ny Antoko Malagasy Miara-Miainga (MMM) ho fanoherana ny fandraràna hanao hetsika politika ny Fitsarana misahana ny ady atao amin’ny fanjakana ao Fianarantsoa. Ho fampatsiahivana, nanasingana ny fifanoherana amin’ny lalàm-panorenana ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Ministeran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana (MID) mikasika ny famoriam-bahoaka sy ny hetsika eny an-dalambe, izay nifototra tamin’ny didy hitsivolana laharana faha 62-017 tamin’ny 04 aogositra 1962, teo anatrehan’ity fitsaràna mahefa ity ny MMM. Ho an’ny MMM dia mifanohitra amin’ny lalàm-panorenana ireo fanapahan-kevitra ireo ary manitsakitsaka ihany koa ny fifanarahana iraisam-pirenena mikasika ny zon’ny olom-pirenena sy ny politika izay neken’i Madagasikara tamin’ny taona 1971.
Ny didy navoakan’ny Fitsaràna misahana ny ady atao amin’ny fanjakana dia milaza fa tsy misy intsony antony hitsarana ireo fitoriana napetraky ny MMM ary mandefa ny MMM hanoratra mivantana any amin’ny HCC mba hanasinganana ny fifanoherana amin’ny lalàmpanorenan’ity fanapahan-kevitra noraisin’ny MID ity.
Mampatsiahy ny MMM fa araka ny andininy faha 118 tapany faharoa amin’ny lalàmpanorenana, sy ny didy hitsivolana laharana faha 2001-003 mikasika ny fitsaràna avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) dia rehefa misy fitsaràna nanoratana mikasika ny fifanoherana amin’ny lalàmpanorenana dia anjaran’ilay fitsaràna no mampita izany any amin’ny HCC. Ary ny lalam-panorenana dia mazava fa tsy afaka manoratra mivantana any amin’ny HCC ny Antoko politika.
Noho izany, mametra-panontaniana ny MMM mikasika ny fampiharana ity didim-pitsaràna ity izay tsikaritra fa mifanohitra amin’ny lalàmpanorenana izay lalàna fototra, iorenan’ny Repoblika, ary mifanohitra amin’ny lalàna mikasika ny HCC ihany koa.
Miaina ny foto-kevitra « démocrate-centriste », ary manaja ny soatoavina demokratika izay mametraka ny fanajana ny andrim-panjakana sy ny lalàna ny MMM ary manahy ny amin’ny mety ho vokatr’ireo fanapahan-kevitra ireo manoloana ireo hetsika politika mbola hatao.
Ny MMM dia manasokajy fa fihemorana amin’ny lafiny demokratika ny zava-misy ankehitriny ary mahita fa ilaina ny miaro ireo fivoarana ara-demokratika efa azo dia ny tany tan-dalàna, ny fisaraham-pahefana ary ireo zo-fototra.
Natao teto Antananarivo, ny 28 Aprily 2023